NY FOMBA HANANANA FIADANANA

Posté le 1 novembre 2017 par abondance dans spiritualité

NY FIADANANA DIA AVY AMIN’NY FAHAIZA-MIFALY AMIN’IZAY EFA ANANANA.

Ny hoe mahay mifaly amin’izay efa ananana dia tsy fihetseham-po mihitsy fa fanapahan-kevitra. Tsy midika ihany koa hoe tsy te hiova na tsy te hivoatra. Fa mijery ny lafy tsaran’izay efa azo sy hatrehina.

I Timoty 6 : 8. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.

 

Tsy misy fiainana azo tondroina hoe tonga lafatra izany. Satria io fiainanao lazainao fa tsy mahafa-po io misy mitsiriritra. Io fiainan’olona tsiriritinao io mbola mitsiriritra ny an’ny hafa. Ary izany no mahatonga ny olona tsy mahita fiadanana; tsy mahay mianina sy tsy mahay mifaly amin’izay efa ananany.

Ny hoe mahay mifaly amin’izay efa ananana dia tsy fihetseham-po mihitsy fa fanapahan-kevitra. Tsy midika ihany koa hoe tsy te hiova na tsy te hivoatra. Fa mijery ny lafy tsaran’izay efa azo sy hatrehina. Izany hoe mahay mankasitraka an’Andriamanitra amin’izay efa nomeny sady faly amin’izany.

Raha misy olona hitanao fa nahomby teo amin’ny fiainana dia aza mialona azy fa akaikezo izy fa mety irika itondran’Andriamanitra anao ho amin’ny fahombiazana ny fisiany.

 

Koa manomboka anio dia manapaha hevitra ny hifaly sy hankasitraka an’Andriamanitra amin’izay efa ananana fa ho feno fiadanana ny fiainanao manontolo.

 

                       Mahazoa fahombiazana.

 

Raha misy fanontaniana dia apetraho etsy ambany fa ho valianay am-pitiavana.

 

MA VIE EN ABONDANCE

Répondre

D'autres nouvelles

Non classé

Bonjour tout le monde

Bonjour tout le monde

    BIENVENUEMES CHER(E)S AMI(E)S.   Vous ëtes ici. Je crois bien que vous avez besoin d’une ...

spiritualité

BESOIN D’UNE VIE EN ABONDANCE

BESOIN D’UNE VIE EN ABONDANCE

Que la paix soit avec vous. Je sais que vous avez ...

MOFONAINA NY ALAROBIA 19 OKTOBRA 2017. SALAMO 39:6-13

  Salamo nataon’i Davida, nanehoany fa mandalo izao fiainana izao. Manoloana ...

MOFONAINA NY 18 OKTOBRA 2017. IIMpanj 20:1-7

Nampahafantarin’Andriamanitra an’i Hezekia fa hahafaty azy NY aretiny. Vao maika ...

Mofonaina anio Talata 17 Oktobra 2017. Lioka 18: 1-8

MAHERY VAVAKA NY VAVOLOMBELONA MARINA Ny hoe : mahery vavaka dia ...

Faly mandray anao

Faly miarahaba anao tongasoa eto amin’ity pejy ity! Tonga eto ianao; ...

Catholiques à Livry-Gargan |
Matregbezawe |
Visitation de la Dame de to... |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Schedule
| Fin de l'empire al Mad...
| Biblevouscachechtiment