Ny tena fahombiazana

Posté le 31 octobre 2017 par abondance dans spiritualité

Ny tena fahombiazana dia zavatra tsotra

Matio 16 : 26. Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?

 

Ny fahombiazana sy ny tombam-bidintsika dia tsy miankina amin’ny zavatra hitan’ny maso.

Tsy hoe rehefa nahazo asa tsara araka izay nirina na mipetraka amin’ny trano lehibe fotsiny na manana fiara tsara tarehy. Soa ihany fa ny fahombiazantsika dia tsotra kokoa noho izany nefa tena lalina.

Ny tena fahombiazana mantsy dia ny mahalala an’Andriamanitra sy ny herin’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

Ny fahafantaranao fa tia anao amin’ny fitiavana tsy misy fepetra Izy sady nanamarina anao tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ilay nividy anao tamin’ny rany.

Ny zavatra tsotra takina aminao dia ny ho velona ho an’Andriamanitra ka manome voninahitra azy. Ampiasao araka ny sitrapony ny hery sy ny loharanon-karena nomeny anao fa ho tafita ianao.

Aza ampitahaina amin’ny hafa ny fiainanao fa manàna ny famaritanao manokana ny atao hoe fahombiazana dia tanteraho miaraka amin’Andriamanitra izany. Koa atolory an’i Jesoa àry ny tsara indrindra, ny betsaka indrindra ary ny lohalaharana fa efa voatendry ho amin’ny fahombiazana ianao.

 

Mahazoa fahombiazana.

Raha misy fanontaniana dia apetraho etsy ambany fa ho valianay am-pitiavana.

 

MA VIE EN ABONDANCE

Répondre

D'autres nouvelles

Non classé

Bonjour tout le monde

Bonjour tout le monde

    BIENVENUEMES CHER(E)S AMI(E)S.   Vous ëtes ici. Je crois bien que vous avez besoin d’une ...

spiritualité

BESOIN D’UNE VIE EN ABONDANCE

BESOIN D’UNE VIE EN ABONDANCE

Que la paix soit avec vous. Je sais que vous avez ...

MOFONAINA NY ALAROBIA 19 OKTOBRA 2017. SALAMO 39:6-13

  Salamo nataon’i Davida, nanehoany fa mandalo izao fiainana izao. Manoloana ...

MOFONAINA NY 18 OKTOBRA 2017. IIMpanj 20:1-7

Nampahafantarin’Andriamanitra an’i Hezekia fa hahafaty azy NY aretiny. Vao maika ...

Mofonaina anio Talata 17 Oktobra 2017. Lioka 18: 1-8

MAHERY VAVAKA NY VAVOLOMBELONA MARINA Ny hoe : mahery vavaka dia ...

Faly mandray anao

Faly miarahaba anao tongasoa eto amin’ity pejy ity! Tonga eto ianao; ...

Catholiques à Livry-Gargan |
Matregbezawe |
Visitation de la Dame de to... |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Schedule
| Fin de l'empire al Mad...
| Biblevouscachechtiment