MOFONAINA ALATSINAINY 23 OKTOBRA 2017. ASAN’NY APOSTOLY 4:23-31.

Posté le 22 octobre 2017 par abondance dans spiritualité

MOFONAINA ALATSINAINY 23 OKTOBRA 2017. ASAN’NY APOSTOLY 4:23-31.

MAHERY VAVAKA NY VAVOLOMBKELONA MARINA

1) Izay mangataka fahasahiana hitory ny Tenin’Andriamanitra.( 23-29)

Mangataka fanavaozana risi-po ny mpianatra eto. Satria ao anatin’ny fitoriana mihitsy izy ireo no iharan’ny fanenjehana. Mba hahafahan’izy ireo manohy ny fijoroana vavolombelon’i Jesoa Kristy ao anatin’izany fanenjehana izany dia tsy maintsy nangataka fahasahiana avy amin’ny Tompo aloha. Isika koa dia tokony hivavaka mba hahazoantsika mandresy ny tahotra mampihambahamba, ny fandavana, ny fitsikerana ary ny fanenjehana. Koa ataovy anisan’ny antom-bavaka mihitsy ny mba hanana fahasahiana hitory na amin’iza na amin’iza, na oviana na oviana, n’inon »inona mitranga.

2) Ka mamgataka mba arahina famantarana sy fahagagana ny fitoriana ataony (30)

Mifampiankina tanteraka ny fitoriana sy ny fahagagana. Ny famantarana dia zava-misy enti-milaza asa ho fanaporofoana ny fisian’ny herin’Andriamanitra, ho fampaherezana amin’ny finoana. Ny fahagagana sy ny fanasitranana indray dia anisan’ny famantarana asehon’Andriamanitra mba handresena lahatra ny

mpanatrika.Tsara ny manamarika fa ny Kristiana dia tokony hivavaka mba hisian’ny famantarana. Eo ànatrehan’ny fisedrana isankarazany dia mila mivaaka amin’ny fahamarinana isika mba hanamarinan’Andriamanitra ny Filazantsara torintsika. Anisan’ny fomba iray handresena lahatra ny olona hitorintsika mantsy izany. Ary mrihina fa mbola manao fahagagana mandrkariva Andrimanitra ho an’izay mahery vavaka.

3) Ka fenoina ny Fanahy Masina. (31)

Ny hoe nofenoina na notafiana dia maneho fampitaovana mba hahazona hery enti-mijoro vavalombelona amin’ny fanaovana ny asan’Andrimanitra. Eto dia efa nivaly sahady ny fangatahana satria rehefa nofenoina ny Fanahy Masina izy ireo dia nitory ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fahasahiana.

Ny olona mahery vavaka dia fenoina ny Fanahy Masina. Koa mivavaha mba ho feno ny Fanahy Masina.

 

 

Mahazoa aim-panahy.

 

Raha misy fanontaniana dia apetraho etsy ambany fa ho valianay am-pitiavana.

 

MA VIE EN ABONDANCE

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Répondre

D'autres nouvelles

Non classé

Bonjour tout le monde

Bonjour tout le monde

    BIENVENUEMES CHER(E)S AMI(E)S.   Vous ëtes ici. Je crois bien que vous avez besoin d’une ...

spiritualité

BESOIN D’UNE VIE EN ABONDANCE

BESOIN D’UNE VIE EN ABONDANCE

Que la paix soit avec vous. Je sais que vous avez ...

MOFONAINA NY ALAROBIA 19 OKTOBRA 2017. SALAMO 39:6-13

  Salamo nataon’i Davida, nanehoany fa mandalo izao fiainana izao. Manoloana ...

MOFONAINA NY 18 OKTOBRA 2017. IIMpanj 20:1-7

Nampahafantarin’Andriamanitra an’i Hezekia fa hahafaty azy NY aretiny. Vao maika ...

Mofonaina anio Talata 17 Oktobra 2017. Lioka 18: 1-8

MAHERY VAVAKA NY VAVOLOMBELONA MARINA Ny hoe : mahery vavaka dia ...

Faly mandray anao

Faly miarahaba anao tongasoa eto amin’ity pejy ity! Tonga eto ianao; ...

Catholiques à Livry-Gargan |
Matregbezawe |
Visitation de la Dame de to... |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Schedule
| Fin de l'empire al Mad...
| Biblevouscachechtiment