MOFONAINA NY ZOMA 20 OKTOBRA 2017. SALAMO 65:1-8

Posté le 19 octobre 2017 par abondance dans spiritualité

 

Salamo 65:1-8

And1: Salamo 65 : 1.   »Ho anao ny fanginana sy ny fiderana*, Andriamanitra any Ziona o, ary aminao no anefana ny voady ».

Ny Andriamanitra mpihaino vavaka dia mendri-piderana. Ny fiderana dia fomba hanehoana ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra. Izy dia tsara, fitiavana, mahery mamindra fo, masina, marina, hendry sy ireo toetra samihafa mampiavaka an’Andriamanitra. Eto dia ny maha Andriamanitra no ideran’i Davida. Sady mendrika an’Andriamanitra izany fiderana izany, nefa ihany koa mahatonga antsika hatoky kokoa Azy. Satria ao amin’ireo maha izy azy an’Andriamanitra ireo no ahitana fa miavaka amin’izay rehetra heverin’ny olona ho Andriamanitra Izy. Miverina matetika ao amin’ny Baiboly ny fiderana. Izany mihitsy no aseho’i Davida ao amin’ny Salamo 9:1 hoe: « Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho ».

Ry havana, raha tena ampiharina amin’ny fo madio tokoa ny fiderana dia manome fifaliana, fitoniana, fiadanana, fanantenana vaovao.

Koa ireto misy torohevitra: 1) Manokana fotoana hiderana an’Andriamanitra isanandro araka izay azo atao. Dia ahitanao fifaliana sy hahafaly an’Andrikamanitra izany. 2) Saintsaino ny vokatr’ireo toetran’Andriamanitra ireoamin’ny fiainanao. Tsarovy fa ireo toetran’Andriamanitra ireo no naha toy izao antsika: mbola velon’aina, manana anjara masoandro sy ny sisa e!  Koa derao ny Tompo fa mendrika azy izany.

Mahazoa aim-panahy.

 

Raha misy fanontaniana dia apetraho etsy ambany fa ho valianay am-pitiavana.

 

MA VIE EN ABONDANCE

Répondre

D'autres nouvelles

Non classé

Bonjour tout le monde

Bonjour tout le monde

    BIENVENUEMES CHER(E)S AMI(E)S.   Vous ëtes ici. Je crois bien que vous avez besoin d’une ...

spiritualité

BESOIN D’UNE VIE EN ABONDANCE

BESOIN D’UNE VIE EN ABONDANCE

Que la paix soit avec vous. Je sais que vous avez ...

MOFONAINA NY ALAROBIA 19 OKTOBRA 2017. SALAMO 39:6-13

  Salamo nataon’i Davida, nanehoany fa mandalo izao fiainana izao. Manoloana ...

MOFONAINA NY 18 OKTOBRA 2017. IIMpanj 20:1-7

Nampahafantarin’Andriamanitra an’i Hezekia fa hahafaty azy NY aretiny. Vao maika ...

Mofonaina anio Talata 17 Oktobra 2017. Lioka 18: 1-8

MAHERY VAVAKA NY VAVOLOMBELONA MARINA Ny hoe : mahery vavaka dia ...

Faly mandray anao

Faly miarahaba anao tongasoa eto amin’ity pejy ity! Tonga eto ianao; ...

Catholiques à Livry-Gargan |
Matregbezawe |
Visitation de la Dame de to... |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Schedule
| Fin de l'empire al Mad...
| Biblevouscachechtiment