Fiadanana sy fahasambarana no nomanin’Andriamanitra ho anao

.

FIADANANA SY FAHASAMBARANA NO NOMANIN’ANDRIAMANITRA HO ANAO

Raha ny toerana nametrahan’Andriamanitra ny olona tamin’ny voalohany no dinihina dia hita fa nihevitra izay hahasambatra sy hampiadana ny olona Andriamanitra.
Very anefa izany fiadanana izany noho ny nataon’ny olombelona ihany.
Zavatra tokana ihany no hamerenana izany fiadanana sy fahasambarana izany amin’ny laoniny. Dia ny Fandraisana an’i Kristy.

NY FANDRAISANA AN’I KRISTY

Ny fepetra hahazoana famonjena

Tsy kristiana avy any an-kibon-dreniny ny olona. Izany hoe : tsy zanak’Andriamanitra avokoa ny olona rehetra.
Ny Soratra Masina dia manambara fa tsy azo ianteherana hahazoana famonjena ireto zavatra ireto :

Ireo zavatra heverin’ny olona fa hahazoana famonjena

  • Ny firazanana (Jao 1 : 13, Lio 3 : 8)Kristiana ny ray aman-dreny, taranak’olona mpivavaka.
  • Ny fanarahana fombam-pivavahana (Fil 3 : 5)
    Vita batisa mbola kely, efa mpandray.
  • Ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra sy ny maha tompon ‘andraikitra ato amin’ny Fiangonana (Fil 3 : 5)
    Mpitandrina, Diakona, Mpiandry, Mpitoriteny, Mpampianatra Sekoly Alahady, Birao Fiangonana, Birao sampana, komity, sns
  • Ny zotom-po amin’ny fanompoana an’Andriamanitra Fil 3 : 6)
    Mafana fo amin’ny asa, manao izay rehetra anirahana.

Fehiny : Filipiana 3 : 8

Ny fepetra tokana hahazoana famonjena dia ny fandraisany an’i Kristy

Ny atao hoe : mandray an’i Kristy

Ny atao hoe mandray an’i Kristy dia manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy.

  • TOMPO :
    • Andriamanitra ivavahana
    • Manam-pahefana feno amin’ny fiainako (rantsam-batako, fotoanako, volako, heriko sns
    • Manao ny sitrapony
    • Manompo Azy irery ihany
    • Tsy hanompo sampy aho
  • MPAMONJY:
    • Tsy hila vonjy afa tsy amin’i Jesoa Kristy aho
    • Mpamonjy tokana
    • Mpamonjy azo antoka

Ka ny hoe Tompo sy Mpamonjy dia tsy afa misaraka.

Fanamarihana

  • Ny olona nadray an’i Kristy dia manaiky Azy amin’ny safidy fa tsy terena vokatry ny fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra.Tia anao Andriamanitra ka te hanome fiainana be dia be ho anao : fiadanana, fifaliana, fitahiana, fahombiazana amin’izay rehetra atao. Rehefa vita fihavanana amin’Andriamanitra isika dia omeny antsika maimaim-poana ireo.
  • Ny olona nandray an’i Kristy dia olona nanapa-kevitra hanolo-tena hanjakan’i Jesoa Kristy.Tsy isika no tokony hilaza hoe : « miandry ny sitrapon’Andriamanitra aho mba hafahako mandray an’i Kristy ». fa Andriamanitra no miandry ny sitrapontsika hanapahantsika hevitra.
  • Ny olona nandray an’i Kristy dia olona nanao fanapahan-kevitra in-dray mandeha teo amin’ny fiainany.Misy fotoana, toerana, antony mazava ary ny fomba nandraisany an’i kristy. Nefa azo havaozina io fanoloran-tena io rehefa nahatsapa isika fa nisy fihemorana. Diso ilay filazana hoe hiezaka aho handray an’i Kristy fa manapa-kevitra aho handray an’i Kristy.
  • Ny olona nandray an’i Kristy dia tsy manana fisalasalana ny amin’ny fandraisany an’i Kristy sy ny fananany fiainana mandrakizay.Raha vao hanontaniana dia eny avy hatrany ny valiny.
  • Ny fandraisana an’i Kristy dia azo ato amin’ny fotoana rehetraTsy voatery miandry fotoan-dehibe vao hanolo-tena ho an’i Kristy .

Ireo fambara raha efa nandray an’i Kristy tokoa ianao

  • Niova ny fiainanao ka lasa olom-baovao ianao (IIKor 5 : 17)
  • Tonga tia Tenin’Andriamanitra ianao (Asa 17 : 11)
  • Tonga tia vavaka ianao (Asa 2 : 42)
  • Tonga tsy menatra ny hivelona ny fiainana Kristiana ianao. (Jao 4 : 42)

Fandinihan-tena

  • Raha mbola tsy ao aminao ireo fambara efatra ireo : Manokana fotoana handraisanao an’i Kristy (raha misy fisalasalana).
  • Raha efa hita eo aminao ireo fambara efatra ireo : avaozy ny fanoloran-tena izao.

Ny fomba handraisana an’i Kristy

Apo 3 :20

  • Mihaino ny feony
    Mihaino ny Tenin’Andriamanitra vakina na torina ka manatanteraka izay lazainy
  • Mamoha ny varavarana
    • Manala ny hidin-trano rehetra : ota, tsy finoana
    • Manaiky hampandroso Azy ao am-po
Araka izany dia ny fanapahan-kevitra hampandroso an’i Jesoa Kristy ao am-po sy eo amin’ny fiainany no fomba handraisana an’i Jesoa. Atao amin’ny alalan’ny vavaka izany fanapaha-kevitra izany. 
Ny fiadanan’ny Tompo ho aminao.
Ma vie en abondance.

D'autres nouvelles

Non classé

Bonjour tout le monde

Bonjour tout le monde

    BIENVENUEMES CHER(E)S AMI(E)S.   Vous ëtes ici. Je crois bien que vous avez besoin d’une ...

spiritualité

BESOIN D’UNE VIE EN ABONDANCE

BESOIN D’UNE VIE EN ABONDANCE

Que la paix soit avec vous. Je sais que vous avez ...

MOFONAINA NY ALAROBIA 19 OKTOBRA 2017. SALAMO 39:6-13

  Salamo nataon’i Davida, nanehoany fa mandalo izao fiainana izao. Manoloana ...

MOFONAINA NY 18 OKTOBRA 2017. IIMpanj 20:1-7

Nampahafantarin’Andriamanitra an’i Hezekia fa hahafaty azy NY aretiny. Vao maika ...

Mofonaina anio Talata 17 Oktobra 2017. Lioka 18: 1-8

MAHERY VAVAKA NY VAVOLOMBELONA MARINA Ny hoe : mahery vavaka dia ...

Faly mandray anao

Faly miarahaba anao tongasoa eto amin’ity pejy ity! Tonga eto ianao; ...

Catholiques à Livry-Gargan |
Matregbezawe |
Visitation de la Dame de to... |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Schedule
| Fin de l'empire al Mad...
| Biblevouscachechtiment